4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny fireneko - Ankalazao ny tompo

Jereo ny akanjony toa voronkitsay.

Dia izao ve no fitafy nomena anao, ry Neny o?

Sanatria mivarilavo, nisotro ny hanadino,

Tsy mahatsiaro ny zo sy hasina maha-olona.



Jereo ny ankizy fa mahonena,

Fa isan’andro tsy kitay tsy vary maina, ry Neny o!

Sanatria zaza sary, tsy manan-dray mpiahy.

ny hoavy tsy hay banjinina fa ny anio ihany.



Fiverenana:

Mitsangana ianao, o ry Neny fireneko,

Mitsangana ianao, meteza ho areniko.

Amboary ny bikanao, diovy ny lambanao

Etsy ho bangoiko ity misarakorako.

Fa nahoana ianao no tofoka sahady?

Tsy nahatanty ve, noresana lazon’ady?

Andao alao hery, miarena ianao ry Neny.

Indreo ny sandriko ianteheranao ...

Neny o, ry Neny o ... fireneko.



Fahiny fahagola niadana isika.

Isan’andro hafaliana niombonana, ry Neny o!

Fa nidiran’angano ny tokantranontsika,

Fandrobana no manjaka, sy fitiavan-tena.



Mifohaza ry Neny sao ilaozan’ny toetr’andro

Havaozy ny hery anaty, na hatanoranao, ry Neny o!

Ivereno dieny izao ilay endrikao fahiny:

Andriambavy sahisahy, filamatr’ireo zanany.

Partager neny fireneko

Commenter neny fireneko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ankalazao ny tompo